RFD Miandrivazo

RFD Miandrivazo

Share

PAGE RFD MIANDRIVAZO. FM : 96.2Mhz

03/08/2026

Zao gn'ataon'ny zaza henany reođŸ€ŁđŸ€Ł
Voatampify amizay bakeođŸ€Ł

03/08/2026

NouveautĂ©s tsy ho ela👈
Groupe Diweezy KTO

31/07/2026

FANEHOANA HEVITRA HO ANIZAY MISAFIDY ÉTAT FÉDÉRAL

MADAGASCAR ÉTAT FÉDÉRAL

I- ÉTAT CENTRAL : PrĂ©sidence , 9 MinistĂšres StratĂ©giques, BC.

1 ● Minisiteran'ny Foloalindahy : Miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny sisintany.
2 ● Minisiteran'ny Raharaham-bahiny : Mitantana ny fifandraisana amin'ny firenena hafa ( Ny fanjakana Foibe no mifandray amin’ny Firenena hafa na Relation Internationale,...sns)
3 ● Minisiteran'ny Fitsarana : Miantoka ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsarana ( Lalàna tokana ny mifehy ny Malagasyrehetra ).
4 ● Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Miandraikitra ny tetibola sy ny politika ara-toekarena ( Vola tokana no itambaran’ny Malagasy rehetra,...sns ).
5 ● Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka : Miandraikitra ny fahasalaman'ny mponina.
6 ● Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Miandraikitra ny oniversite sy ny fikarohana.
7 ● Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena : Miandraikitra ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa.
8 ● Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa : Miandraikitra ny fanofanana matihanina.
9 ● Minisiteran'ny Jono sy ny Toekarena Manga : Miandraikitra ny jono sy ny harena an-dranomasina ( Aleo ny Fanjakana Foibe ny Mitantana ny Sisindranomasina mba hialana amin’ny mpanjono tsy ara-dalàna na mety ho avy amin’ny firenen-kafa ).

II- ÉTAT FÉDÉRÉ : 24 RĂ©gions ( Tsy asina Province Autonome zany fa manao systĂšme Centralisme koa reo de mijaly ndray ny faritra ao aminy ).
■ FÉDÉRE'na any amin’ny FARITRA tsirairay avy ireto MinistĂšre ireto ( Avondrona ) ary ny Direction RĂ©gionale rehetra avadika any amin’ny District na Commune mijery akaika indrindra ny Olana misy eny ifotony.

1 ● Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Mitantana ny raharaha anatiny sy ny vondrom-bahoakam-paritra.
2 ● Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka : Miantoka ny filaminana sy ny asan'ny polisy.
3 ● Minisiteran'ny Fanavaozana (Refondation) : Miandraikitra ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana.
4 ● Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharaham-pananantany : Miandraikitra ny fananan-tany sy ny fandrindrana ny fampiasana ny tany.
5 ● Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiandrianam-pahavokarana Ara-tsakafo : Miandraikitra ny fambolena sy ny fiarovana ara-tsakafo.
6 ● Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra Tsy Miankina : Manohana ny indostria sy ny orinasa.
7 ● Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana : Miaro ny mpanjifa sy mampiroborobo ny varotra.
8 ● Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana : Miandraikitra ny asa sy ny mpiasam-panjakana.
9 ● Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro : Miandraikitra ny fitaterana sy ny toetr'andro.
10 ● Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoran'afo : Miandraikitra ny herinaratra sy ny solika.
11 ● Minisiteran'ny Harena Ankibon'ny Tany : Miandraikitra ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany.
12 ● Minisiteran'ny Asa Vaventy : Miandraikitra ny lalana sy ny fotodrafitrasa.
13 ● Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy : Miaro ny tontolo iainana.
14 ● Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana : Mampiroborobo ny fizahantany sy ny asa tanana.
15 ● Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana : Miandraikitra ny rano fisotro madio sy ny fahadiovana.
16 ● Minisiteran'ny Fampandrosoana Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra : Miandraikitra ny teknolojia sy ny fifandraisana.
17 ● Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina : Miaro ny fiahiana ara-tsosialy.
18 ● Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Miandraikitra ny tanora sy ny fanatanjahantena.
19 ● Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina : Miandraikitra ny haino aman-jery sy ny kolontsaina.
20 ● Minisitra Delegeta miandraikitra ny Zandarimariam-pirenena : Miandraikitra ny Zandarimaria.

III- ASSEMBLÉE NATIONALE (Antenimierampirenena).
■ Ny asany : Misolo tena ny vahoaka ( misolo-tena vahoaka nifidy azy amin'ny District nahalany azy ao amin'ny État FĂ©dĂ©rĂ©) ary manana andraikitra lehibe amin'ny fanaovana lalĂ na ( Eto reo vao mamonjy Zaika any amin’ny Fanjakana Foibe ) sy fanaraha-maso ny Governemanta ( ao amin’ny État FĂ©dĂ©rĂ© ).

■ Averina any amin’ny District nifidy nahalany azy ny DĂ©putĂ© rehetra : Mipetraka sy miasa any ary izy izy manana ny Biraony mba hifandray akaika sy hamaha ny Olana eny ifotony.
: Rehefa hanao volavolan-dalàna sy ny asa maha Député azy reo vao mandeha Antananarivo toy ny Mpamonjy zaika rehetra.

IV- SÉNAT (Antenimieran-doholona).
■ Ny asany : Misolo tena ny faritra sy ny vondrom-bahoakam-paritra ( Samia manara-maso ny fianam-bahoaka ao amin’ny faritra misy azy), mandinika sy manatsara ny lalĂ na ary mandray anjara amin'ny fanaraha-maso ny fitantanana ny Fanjakana ( Mbe hanao Zaika toy ireo DĂ©putĂ© ihany koa fa any amin’ny faritra no miasa sy mipetraka).

:
1■ HEVITRAKO MANOKANA ( Afaka ampiana sy Kianina na Tsikeraina mintsy fa tsy voatery ho marina izy io ).
2■ AZA ASIANA RESAKA HOE MAMPISARA-BAZANA SY ADI-POKO IZANY ( Tsy misy adi-poko sy fanavakavahana izany eto Madagascar fa samy manandratra sy mampandroso ny faritra misy azy,...sns).

© MONJA Mahaleo

Photos from RFD Miandrivazo's post 29/06/2026

🔮 𝗱𝗙𝗜𝗩𝗜𝗔𝗟𝗬 | đđšđšđ„đąđ§đš đ€đąđ­đ«đš.

Araka ny vaovao izay miely amin'izao ora izao dia nifindra ao amin'ny Amed SK (D1 Turquie) i Rayan Raveloson, ilay mpilalao baolina kitra teratany Malagasy, mpilalaon'ny Young Boys (D1 Suisse) teo aloha.

Fifanarahana hatramin'ny taona 2028 miampy iray taona safidy no nosoniavin'ity irakiraka 29 taona !

29/06/2026

MESSI VS RONALDO đŸ€ŁđŸ€Ł

28/06/2026
28/06/2026

Histoire Messi #2

23/06/2026

🚍FITATERANA AO AN-DRENIVOHITRA AO🚍

đŸ”„â—ïžRehefa vita ny fikarakarana nilaina, dia efa manomboka miainga avy eny Iavoloha ireo bus hitatitra maimaim-poana ny vahoaka manoloana ny olan'ny fitanterana ao an-drenivohitra aoâ—ïžđŸ”„

📌 Efa misy ireo nivoaka hitatitra ny vahoaka maimaimpoana.

23/06/2026

⚜Tantaran'i Messi⚜

16/06/2026

🚹🚹TSARA HO FANTATRA HO ANTSIKA MPANKAFY BAOLINA KITRA

Ireo "abréviations" na fanafohezan-teny matetika misy amin'ny baolina kitra:

-----

âžĄïžFIFA: FĂ©dĂ©ration Internationale de Football Association

âžĄïžCAF: ConfĂ©dĂ©ration Africaine de Football

âžĄïžAFC:Asian Football Confederation(ConfĂ©dĂ©ration Asiatique de Football)

âžĄïžUEFA:Union of European Football Associations(Union des Associations EuropĂ©ennes de Football)

âžĄïžOFC:Oceania Football Confederation (ConfĂ©dĂ©ration de Football d' OcĂ©anie)

âžĄïž CONMEBOL : ConfederaciĂłn Sudamericana de FĂștbol(ConfĂ©dĂ©ration Sud-amĂ©ricaine de Football)
✅CON:CONfederación
✅ME:sudaMEricana
✅BOL:fĂștBOL

-----

📌CAN: Coupe d' Afrique des Nations

📌EURO: Championnat d' Europe des Nations

📌WC: World Cup (coupe du monde)

📌Copa America : Championnat sud-amĂ©ricain des Nations

-----

⚫UCL:UEFA Champions League

⚫UEL:UEFA Europa League

⚫UECL:UEFA Europa Conference League

⚫MLS:Major League Soccer

⚫FA Cup: Football Association Challenge Cup(Coupe de l' Angleterre)

⚫EPL: English Premier League (Premier League Anglaise)

⚫CAF CL:CAF Champions League

-----

🔮GK:Goalkeeper(Gardien de but)

🔮CB: Centre-Back(dĂ©fenseur central)

🔮CM:Centre Midfielder (milieu de terrain central)

🔮CF: Centre Forward(avant - centre)

🔮LB/RB: Left-back/Right-back(arriùre gauche/arriùre droit)

🔮DM:Defensive Midfielder (milieu de terrain dĂ©fensif )

🔮AM:Attacking Midfielder (milieu offensif)

🔮SS:Second Striker(deuxiùme attaquant)

🔮ST:Striker(Attaquant)

🔮Pk:Penalty Kick(tir au but/penalty)

🔮FK:Free Kick(Coup franc)

-----

📌G:Goals(buts marquĂ©s)

📌A:Assists(passes dĂ©cisives)

📌YC:Yellow Card(carton jaune)

📌RC:Red Card(carton rouge)

📌MOTM:Man Of The Match (homme du match)

Category

Telephone

Website

Address


Ampanasana Quartier 6
Miandrivazo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RFD Miandrivazo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Miandrivazo.